#44 : Restez à la maison (Mijanona ao an-trano)

A: Efa ho iray volana izay isika no miezaka mijanona an-trano mba hialana amin’ny fihanak’ity valan’aretina mandringana olona maro manerana ny tany ity.

PH: éf ou ‘rai voulan ‘zai sika nou miézak mijanouna an-tranou hialana amin’ny fianak’iti valan’arétina mandringan ouloun marou manérnan ni tani ity.

TR : Cela fait déjà presque un mois que nous essayons de rester à la maison pour éviter la propagation du virus qui  tue de nombreuses  personnes dans le monde entier.

B : Ie, efa tena ela ihany aloha e, ny vatsy sy tahiry efa mila tsy aharaka intsony, kanefa moa izay no mahasoa antsika aloha dia atrehana e.

PH : Ié, éfa téna éla iani alou é, ni vatsi si tairi éfa mila tsi aarak ‘ntsouni, kanéf mou ‘zai nou maasou atsik alou dé atréana é.

TR : Oui, ça fait déjà un bon bout de temps, les épargnes et les provisions n’arrivent plus à suivre, mais bon, c’est ce qui est mieux pour nous donc on y fait face.

A: Fa raha tiantsika ifarana aingana ity fihiboana an-trano ity dia mila manaraka ireo fepetre rehetra napetraka isika mba ialana amin’ny fiparitahan’ilay valan’aretina ary dia tena mijanona ao an-trano tanteraka aloha mandritra ny fotoana voatendry.

PH : Fa ra ti-tsik ifaran aignan iti fiibouana an-tranou iti dé mila manarak iréou fépétr réétra napétrak isik mba ialan amin’ni fiparitaan’ilai valan’arétina ari é téna mijanoun aou an-tranou tantéraka alou mandritr ni foutouan voaténdri.

TR : Mais si on veut que le confinement se termine, il faudrait que nous respections les mesures instaurées pour éviter la propagation du virus et vraiment rester à la maison pendant la période de confinement.

B: Izany mihintsy, mila manasa tanana matetika, manaja ny iray metatra elanelana amin’ny olona mifanerasera amin’ny tena, ary  koa mitondra ny aro vava. Izany moa dia natao mba ho fiarovana ny ain’ny tena sy ny ain’ny hafa.

PH: ‘zani mintsy, mila manas tanana matétik, manaj ni ‘ray métatra élanélana amin’ny oulouna mifanéraséra amin’ni téna, ari i kou mitoundra ni arou vava. ‘zani mou dé nataou mba ou fiarouvana ni ain’ni téna si ni ain’ni afa.

TR : C’est vrai, il faut se laver les mains régulièrement, respecter la distance de 1 m avec les personnes qui sont amenées à être en contact avec soi, et porter le masque. Tout ceci est fait pour protéger notre propre santé mais aussi celle des autres.