#57 : La ville est polluée

Maloto ny tanana (la ville est polluée)

A : Tena efa misavovona daholo mihintsy izay toerana fanangonana fako eto andrenivohitra a. Tsy mba misy toerana misy daba-pako ka tsy misy fako miangona, feno hatramin’ny arabe aza.

PH : Téna éfa misavouvouna daoulou mints ‘zai touérana fanagounana fakou étou andrénivouitra a. Tsi mba misi touérana misi daba-pakou ka tsi misi fakou miangouna, fénou atram arabé aza.

TR : Les lieux de stockage d’ordure sont vraiment inondés de déchets. Il n’y a pas un endroit où on trouve un bac à ordure sans débordement de déchets, même la route en est inondée .

B : Sady maimbo aloha ilay izy no mitondra mikroba e. Sady amin’ity efa fahavaratra ity dia miampy ny orana ilay izy koa  tena tsy zaka intsony.

PH : Sadi maimbou alou ‘lai izi nou mitoundra mikroba é. Sadi amin’ti éfa faavaratr ‘ti dé miampi ni ouran ‘lai izi ka téna tsi zaka ‘tsouni.

TR : En plus l’odeur est insupportable et ça favorise les microbes. De plus la saison des pluies est déjà là et quand il pleut, c’est insupportable.

A : Ilay izy ny tena marina tokony samy mandray ny andraikitra tandrify azy avy na ny mpitondra na ny ho entina e. Tsy hadio mihintsy ny tanana raha tsy miezaka ny tsirairay.

PH : ‘lai izi ni téna marin toukoun sami mandrai ni andraikitra tandrifi azi na ni mpitoundra na ny ouentina é. Tsi adiou mints ni tanana ra tsi miézaka ni tsirairai.

TR : En vérité, chacun doit prendre ses responsabilités que ce soit les gouvernants ou les gouvernés. La ville ne sera jamais propre si chacun ne prend pas ses responsabilités.

B : Tena marina aloha izany e, na ireo setroka saribao sy biriky ireo fotsiny aza dia tokony ahena sy ijerena vaha olana. Raha samy mandray andraikitra isika dia mety hadio ihany ny tanana.

PH : Téna marin alou ‘zani é, na ‘réou sétrouk saribaou si biriky iréou foutsin aza dié toukouni aéna si ijéréna vaa oulana. Ra sami mandrai andraikitra ‘sika dé méti adiou iani ni tananà.

TR : Oui c’est vrai, que ce soit la fumée engendrée par le charbon de chauffage ou de la fabrication de brique ce devrait être maitrisée et solutionnée. Si chacun prend ses responsabilités, la ville redeviendra peut-être propre.

.