#49 : Retour à l’école (Miverina mianatra amin’izay)

A : Asa aloha izao izay hiseho rehefa miverina mianatra eo ny mpianatra. Efa ela ihany anie izay efa-bolana tsy nakanesana tany am-pianarana izay e.

PH : asa alou ‘zaou ‘zai iséou réf mivérin mianatr éou ni pianatr. Ef él iani ané ‘zay éfa-boulan tsi nakanésan tani apianaran ‘zay é.

TR : On ne sait pas ce qui va se passer quand les élèves auront repris les cours. Ces 4 mois sans aller à l’école sont longs quand même.

B : Eny tokoa oa, ny ankizy manala fanadinana moa iny efa mba niverina nianatra kely ihany fa dia tena voaelingelina aloha ny taom-pianarana tamin’ity e.

PH : éni toukou oua, ni akizi manal fanadinana mou ini éf ba nivérina niantr kéli iani fé dé ten vouaélingélin alou ni taou-pianarn tam’ty é.

TR : Ah oui, les élèves en classe d’examen ont quand même repris un peu l’école mais cette année scolaire était quand même vraiment très perturbée.

A : Miteraka fahasahiranana hafa ilay izy fa ny anay zao ny saram-pianarana tamin’iny taona lasa iny tsy mbola voaloha anefa ny amin’ity taom-pianarana vaoavao ity efa tsy maintsy ho aloha indray.

PH : Mitérak faasairanan afa ‘lai izi fa ni anai zaou ni sara-pianarana tamin’iny taoun las ini tsi boul voualou ‘néfa ni amty taou-pianarn vaouvaou ty éfa tsy méntsi ou alou ‘ndrai.

TR : Cela engendre d’autres préoccupations, en ce qui  nous concerne,nous n’avons pas encore pu payer les frais de scolarité de l’année précédente alors que ceux de cette année doivent déjà être payés.

B : Ny anay ary tsy vitan’izany fa ny fitaovam-pianarana tsy mbola misy tokotaniny. Soa aloha ilay zokiny fa mba afaka BEPC fa raha voatery namerina taona dia vao maika fahasahiranana hafa indray.

Ph : Ni ani ari tsi vita’zani fa ni fitaouva-pianarn tsi mboul mis toukoutanini. Sou alou ‘lay zokini fa mba afak BEPC fa ra vouatéri namérina taoun dé vaou mék faasairanan af ‘ndrai.

TR : Pour nous, il n’y a pas que ça mais les fournitures scolaires des enfants ne sont pas encore prêtes. Heureusement que le plus grand a réussi son BEPC car s’il aura été contraint de redoubler cela aurai été un autre problème.